Mampiasà vola amin’ny fanaovana mpianatra
Tsy voatery ho mpanankarena ianao vao afaka mamela lova ary azonay fa tianao aloha ny hamela vatsy hoan’izay tinao. Saingy matokia fa ny fanomezana lova na inona na inona habeny dia hankasitrahina ary eo am-pelatananay dia hitondra vokatra eo amin’ny fiainan’ny Kristianina sy ny fiangonana maro manerana izao tontolo izao. Na inona na inona ny sandan'ny fanomezanao, dia hanampy betsaka ny olona iray izay mila izany.
“Ny fampianaran’i Derek Prince dia nanova ny fiainako tamin’ny fomba izay tsy noheveriko velively. Ny fanantenako lalina indrindra dia ny mba hananan’ny taranaka ho avy ny fahafahana mitovy amin’izany hahafantarana ny fiantraikan’ny teny fanovana fiainana nataon’i Derek. Izany no antony nanapahako hevitra hamela lova ho an'ny Asa Fanompoana Derek Prince. Fantatro fa io fanomezana io dia hanampy hitahiry ny fampianaran'i Derek ho velona, manohy mikasika fiainana mandritra ny taona maro ho avy, na dia rehefa any an-danitra aza isika.”
Ny fanomezanao lova dia afaka manampy ireo Kristianina mangetaheta ara-panahy hanana fidirana amin'ny fampianarana Baiboly izay azony ampiasaina hampisehoana ny herin'ny Tenin'Andriamanitra manova fiainana eo amin'ny fiainan’izy ireo, ny fiangonany ary ny fiaraha-monina eo an-toerana.
Ahoana ny fiantraikan'ny fanomezanao lova amin'ny fiainana
- Ny fanomezanao lova dia afaka manome maimaimpoana ny fampianaran’i Derek ho an’ny taranaka vaovao amin’ny Kristianina manerana izao tontolo izao.
- Ny fanomezanao lova dia afaka miantoka fa ny fampianaran'i Derek dia hadika sy hatonta amin’ny fiteny vaovao ho fampaherezana ny mpino rehetra manerana na aiza na aiza.
- Ny fanomezanao lova dia afaka mandeha lavitra amin’ny fanomezana fitaovana sy loharano amin'ny famoronana fitaovana nomerika ho an’ny fanaovam-pianatra sy fitoriana filazantsara.
- Ny fanomezanao lova dia afaka mampitao ireo mpitandrina ho avy, ireo mpianatra Baiboly ao amin’ny kolejy ary ny mpitory filazantsara, mba hikaroka lalindalina kokoa ny Tenin'Andriamanitra sy hanova ireo niova fo ho mpianatra.
Ahoana ny fomba hampidiranao anay ao amin'ny sitraponao
Mifandraisa aminay raha mila fanazavana fanampiny. Te-hiresaka momba ny fikasanao amin'ny fianakavianao izahay sy hifampidinika amin’ny mpisolovava iray mba hahazoana torohevitra ara-dalàna feno.
Mifandraisa aminay