Votoatiny
(Tsindrio raha hitety ny toerana)
- Taiza no teraka i Derek Prince?
- Oviana no teraka i Derek Prince?
- Efa maty ve i Derek Prince?
- Firy taona i Derek Prince no maty?
- Taiza no maty i Derek Prince?
- Taiza no nalevina i Derek Prince?
- Nanao ahoana no nahafatesan'i Derek Prince?
- Inona no inoan'i Derek Prince?
- Inona no dikan-tenin’ny Baiboly tena tian’i Derek?
- Nanambady ve i Derek Prince?
- Oviana no maty i Lydia Prince?
- Oviana no maty i Ruth Prince?
- Manan-janaka ve i Derek Prince?
Taiza no teraka i Derek Prince?
Bangalore, Inde.
Oviana no teraka i Derek Prince?
14 Aogositra 1915
Efa maty ve i Derek Prince?
Maty tamin'ny 24 Septambra 2003 i Derek Prince.
Firy taona i Derek Prince no maty?
88 taona (1915-2003)
Taiza no maty i Derek Prince?
Maty tao an-tranony tao Jerosalema i Derek Prince.
Taiza no nalevina i Derek Prince?
Fasan’ny fiangonana Iraisam-pirenena tany Jerosalema.
Nanao ahoana no nahafatesan'i Derek Prince?
Maty tao anaty torimaso noho ny tsy fetezan'ny fo i Derek Prince, taorian'ny tsy fahasalamana naharitra ela.
Inona no inoan'i Derek Prince?
Derek Prince dia tsy antokom-pinoana;ary kristianina pentekotista tsy sekta. Ny finoany dia mifanaraka amin’ny Fanambaranay ny finoana izay mitarika anay amin’ny resaka finoana sy ny fanao rehetra.
Fanambarana ny finoana“Rehefa manontany ahy ny olona indraindray hoe: ‘Inona no finoanao, ary aiza ny fiangonana andehananao?’ Tiako valiana tahaka ny Salamo: ‘Sakaiza amin’izay rehetra matahotra an'Andriamanitra aho, amin’izay rehetra manaraka ny didiny.’ Tsy tena lafiny anarana izany, fa momba ny toe-po sy ny fizotrin’ny fiainana.” - Derek Prince
Inona no dikan-tenin’ny Baiboly tena tian’i Derek?
Ny dikan-teny King James no tian’i Derek indrindra ary nianarany mihitsy ny teny Hebreo sy Grika tany am-boalohany.
Mba ifandraisana mazava kokoa amin’ ny mpihaino, dia matetika izy no nampiasa dikan-teny vaovao toy ny “New American Standard Bible”, “New International Version” ary “New King James Version” . indraindray izy manonona ny “J.B. Phillips Bible”, “The Living Bible” na “Amplified Bible”, raha naneho mazava kokoa ny toko sy ny heviny izany.
Nanambady ve i Derek Prince?
“Nanambady an’i Lydia aho nandritra ny 30 taona ary tamin’i Ruth nandritra ny 20 taona. Ary samy tena fahasambarana sy fahombiazana ny fanambadiana tsirairay.” - Derek Prince
Oviana no maty i Lydia Prince?
5 Oktobra 1975 (85 taona)
Oviana no maty i Ruth Prince?
29 Desambra 1998 (68 taona)
Manan-janaka ve i Derek Prince?
Rain-jaza 12 I Derek Prince